plt_tn/mat/12/31.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mamaly ireo fariseo i Jesosy.
# lazaiko aminareo
Manamafy izay lazain'i Jesosy manaraka io. Miresaka mivantana amin'ireo Fariseo i Jesosy, saingy mampianatra ireo vahoaka koa Izy.
# ho voavela heloka ny olona amin'ny fahotaha sy fitenenan-dratsy rehetra
Azo atao hoe DH: "Ho avelan'Andriamanitra ny fahotana rehetra izay ataon'ny olona sy ireo zavatra ratsy rehetra izay lazain'izy ireo" na "Ho avelan'Andriamanitra ny olona rehetra izay manota na miteny zavatra ratsy"
# ny fitenenan-dratsy amin'ny Fanahy Masina dia tsy hahazoana famelan-keloka
Azo atao hoe DH: "Tsy ho avelan'Andriamanitra ny olona izay miteny zavatra ratsy momba ny Fanahy Masina"
# Na iza na iza miteny manohitra ny Zanak'Olona
Eto ny "miteny" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Ary raha misy olona milaza zavatra ratsy momba ny Zanak'Olona"
# Zanak'Olona
Milaza ny amin'ny tenany i Jesosy.
# dia ho voavela izy
Azo atao hoe DH: "hamela ny olona noho izany Andriamanitra"
# tsy ho voavela izy
Azo atao hoe DH: "tsy hamela izany olona izany Andriamanitra"
# na amin'izao fiainana izao, na amin'izay ho avy
Eto ny hoe "izao fiainana izao" sy "izay ho avy" dia maneho ny fiainana ankehitriny sy ny fiainan-ko avy. DH: "ankehitriny ka ho mandrakizay"