# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mamaly ireo fariseo i Jesosy. # lazaiko aminareo Manamafy izay lazain'i Jesosy manaraka io. Miresaka mivantana amin'ireo Fariseo i Jesosy, saingy mampianatra ireo vahoaka koa Izy. # ho voavela heloka ny olona amin'ny fahotaha sy fitenenan-dratsy rehetra Azo atao hoe DH: "Ho avelan'Andriamanitra ny fahotana rehetra izay ataon'ny olona sy ireo zavatra ratsy rehetra izay lazain'izy ireo" na "Ho avelan'Andriamanitra ny olona rehetra izay manota na miteny zavatra ratsy" # ny fitenenan-dratsy amin'ny Fanahy Masina dia tsy hahazoana famelan-keloka Azo atao hoe DH: "Tsy ho avelan'Andriamanitra ny olona izay miteny zavatra ratsy momba ny Fanahy Masina" # Na iza na iza miteny manohitra ny Zanak'Olona Eto ny "miteny" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Ary raha misy olona milaza zavatra ratsy momba ny Zanak'Olona" # Zanak'Olona Milaza ny amin'ny tenany i Jesosy. # dia ho voavela izy Azo atao hoe DH: "hamela ny olona noho izany Andriamanitra" # tsy ho voavela izy Azo atao hoe DH: "tsy hamela izany olona izany Andriamanitra" # na amin'izao fiainana izao, na amin'izay ho avy Eto ny hoe "izao fiainana izao" sy "izay ho avy" dia maneho ny fiainana ankehitriny sy ny fiainan-ko avy. DH: "ankehitriny ka ho mandrakizay"