plt_tn/mat/12/31.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mamaly ireo fariseo i Jesosy.

lazaiko aminareo

Manamafy izay lazain'i Jesosy manaraka io. Miresaka mivantana amin'ireo Fariseo i Jesosy, saingy mampianatra ireo vahoaka koa Izy.

ho voavela heloka ny olona amin'ny fahotaha sy fitenenan-dratsy rehetra

Azo atao hoe DH: "Ho avelan'Andriamanitra ny fahotana rehetra izay ataon'ny olona sy ireo zavatra ratsy rehetra izay lazain'izy ireo" na "Ho avelan'Andriamanitra ny olona rehetra izay manota na miteny zavatra ratsy"

ny fitenenan-dratsy amin'ny Fanahy Masina dia tsy hahazoana famelan-keloka

Azo atao hoe DH: "Tsy ho avelan'Andriamanitra ny olona izay miteny zavatra ratsy momba ny Fanahy Masina"

Na iza na iza miteny manohitra ny Zanak'Olona

Eto ny "miteny" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Ary raha misy olona milaza zavatra ratsy momba ny Zanak'Olona"

Zanak'Olona

Milaza ny amin'ny tenany i Jesosy.

dia ho voavela izy

Azo atao hoe DH: "hamela ny olona noho izany Andriamanitra"

tsy ho voavela izy

Azo atao hoe DH: "tsy hamela izany olona izany Andriamanitra"

na amin'izao fiainana izao, na amin'izay ho avy

Eto ny hoe "izao fiainana izao" sy "izay ho avy" dia maneho ny fiainana ankehitriny sy ny fiainan-ko avy. DH: "ankehitriny ka ho mandrakizay"