plt_tn/deu/25/09.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
# tsy maintsy manatona azy eo anatrehan'ireo loholona
"tsy maintsy mandeha manakaiky azy miaraka amin'ireo loholona izay mijery eo"
# izay tsy manorina ny tranon'ny rahalahiny
Eto ny hoe "trano" dia sarinteny ho an'ny hoe fianakaviana. DH: "izay tsy manome zanaka lahy ho an'ny rahalahiny ary tsy manohy ny filaharan'ny fianakavian'ny rahalahiny"
# Ny anarany dia ho antsoina ao Israely
"Ny vahoaka ao Israely dia hahafantatra ny fianakaviany amin'ny hoe"
# Ny tranon'ilay nesorina ny kapany
Eto ny fanalana kapa dia manamarika fa tsy handray ny fananan'ny rahalahiny maty ilay lehilahy. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity. DH: "Ny tranon'ilay iray izay nesorin'ny mpitondratenan'ny rahalahiny teny an-tongony ny kapany" na "Ny fianakavian'ilay lehilahy izay tsy nanambady ny vadin'ilay rahalahiny maty" na "Ny fianakaviana izay ataon'ny olona rehetra tsinontsinona" na "Ilay fianakaviana izay mahamenatra"