plt_tn/zec/12/01.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity andininy ity dia manomboka fizarana iray izay milaza momba ny fanafihana ho avy amin'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra ny tanàna.
# fanambaran'i Yaveh
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
# izay nanandratra ireo habakabaka
"Ilay namorona ny lanitra"
# nametraka ny fototry ny tany
DH: "nametraka ny tany rehetra amin'ny toerany"
# mamolavola ny fanahin'olombelona ao anatin'ny olona
DH: "mamorona ny fanahin'olombelona"
# kapoaka
"kapoaka misy zavatra hosotroina"
# hahatonga ireo vahoaka rehetra manodidina azy hivembena
Izany dia, zava-pisotro misy alikaola ary hahatonga ireo tafika izay manafika an'i Jerosalema ho lasa mamo ka tsy afaka hiady.
# azy
Izany dia, ny tanànan'i Jerosalema. Iraisana amin'ny Hebreo ny miresaka ny tanàna toy ny hoe vehivavy.
# vato mavesatra ho an'ny olon-drehetra
"zavatra tsy hay afindra"