plt_tn/zec/12/01.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity andininy ity dia manomboka fizarana iray izay milaza momba ny fanafihana ho avy amin'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra ny tanàna.

fanambaran'i Yaveh

Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.

izay nanandratra ireo habakabaka

"Ilay namorona ny lanitra"

nametraka ny fototry ny tany

DH: "nametraka ny tany rehetra amin'ny toerany"

mamolavola ny fanahin'olombelona ao anatin'ny olona

DH: "mamorona ny fanahin'olombelona"

kapoaka

"kapoaka misy zavatra hosotroina"

hahatonga ireo vahoaka rehetra manodidina azy hivembena

Izany dia, zava-pisotro misy alikaola ary hahatonga ireo tafika izay manafika an'i Jerosalema ho lasa mamo ka tsy afaka hiady.

azy

Izany dia, ny tanànan'i Jerosalema. Iraisana amin'ny Hebreo ny miresaka ny tanàna toy ny hoe vehivavy.

vato mavesatra ho an'ny olon-drehetra

"zavatra tsy hay afindra"