plt_tn/zec/11/01.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Vohay ny varavaranao, ry Libanona, mba handevonan'ny afo ny sederanao
Miresaka amin'ny tanin'i Libanona toy ny hoe olona ny mpaminany. DH: "Ry vahoakan'i Libanona, mivonòna fa handoro ireo hazo sederanao ny afo"
# Misaonà, ry hazo kypreso, fa efa nianjera ny hazo sedera!
DH: "Raha olona ireo hazo, dia nitomany tanatin'ny alahelo izany. Nijoro irery ireo hazo kypreso satria may sy nianjera ireo sedera."
# Misaonà, ianareo ry hazo terebintan'i Basana, fa efa ripaka ny ala mikitroka
DH: "Raha hazo terebinta any Basana ny olona, dia nidradradradra izany, satria notapahina ireo ala mateviny."
# Midradradradra ireo mpiandry ondry
DH: "Mihiaka mafy ireo mpiandry ondry"
# fa efa rava ny voninahitr'izy ireo
"Ny voninahitr'izy ireo" dia mety manambara ireo tany fihinanam-bilona misy ahitra betsaka izay nitarihin'ireo mpiandry ondry ny ondrin'izy ireo. DH: "fa efa foana ireo tany fihinanam-bilona misy ahitra betsaka."
# ny reharehan'ny Ony Jordana!
DH: "satria efa noravana ireo hazo sy zana-kazo izay nitoeran'izy ireo teo amoron'ny Ony Jordana."