# Vohay ny varavaranao, ry Libanona, mba handevonan'ny afo ny sederanao Miresaka amin'ny tanin'i Libanona toy ny hoe olona ny mpaminany. DH: "Ry vahoakan'i Libanona, mivonòna fa handoro ireo hazo sederanao ny afo" # Misaonà, ry hazo kypreso, fa efa nianjera ny hazo sedera! DH: "Raha olona ireo hazo, dia nitomany tanatin'ny alahelo izany. Nijoro irery ireo hazo kypreso satria may sy nianjera ireo sedera." # Misaonà, ianareo ry hazo terebintan'i Basana, fa efa ripaka ny ala mikitroka DH: "Raha hazo terebinta any Basana ny olona, dia nidradradradra izany, satria notapahina ireo ala mateviny." # Midradradradra ireo mpiandry ondry DH: "Mihiaka mafy ireo mpiandry ondry" # fa efa rava ny voninahitr'izy ireo "Ny voninahitr'izy ireo" dia mety manambara ireo tany fihinanam-bilona misy ahitra betsaka izay nitarihin'ireo mpiandry ondry ny ondrin'izy ireo. DH: "fa efa foana ireo tany fihinanam-bilona misy ahitra betsaka." # ny reharehan'ny Ony Jordana! DH: "satria efa noravana ireo hazo sy zana-kazo izay nitoeran'izy ireo teo amoron'ny Ony Jordana."