plt_tn/sng/02/03.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Tahaka ny hazo paiso...ireo zatovolahy
Tahaka ny hazo paiso izay tena mampahery sy mahafinaritra noho ny hazo hafa rehetra any an'ala no mampahery sy mahafinaritra ny malalan-dravehivavy noho ny tovovavy hafa rehetra.
# hazo paiso
hazo izay mamokatra voa kely mavo izay tena mamy
# Mipetraka eo ambanin'ny alokany amin'ny hafaliam-be aho
Mahita hafaliana be sy faherezana ilay vehivavy fa eo akaikin'ny malalany.
# ary ny voany dia mamy ao am-bavako
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny voankazo mamy ny fampifalian'ny malalany.
# trano amin'ny fanasam-be
efitrano tena lehibe izay nihinanan'ny olona sakafo be sy nankafizana ny fitsidihana miaraka amin'ny tsirairay
# ary ny fanevany
Ny "faneva" dia tapa-damba lehibe izay notazonin'ny olona teo anoloan'ny tafika mba hitarihana ny lalana sy hanomezana hery ho an'ireo lehilahy hafa
# ny fanevany amiko dia fitiavana
Mety natahotra ny hiditra tao amin'ny trano amin'ny fanasam-be ravehivavy, nefa ny fitiavan'ny malalany dia naneho azy ny lalana sy namporisika azy mba hiditra. DH: "nefa ny fitiavany dia nitari-dalana ahy sy nanome hery ahy tahaka ny faneva."