plt_tn/sng/02/03.md

1.1 KiB

Tahaka ny hazo paiso...ireo zatovolahy

Tahaka ny hazo paiso izay tena mampahery sy mahafinaritra noho ny hazo hafa rehetra any an'ala no mampahery sy mahafinaritra ny malalan-dravehivavy noho ny tovovavy hafa rehetra.

hazo paiso

hazo izay mamokatra voa kely mavo izay tena mamy

Mipetraka eo ambanin'ny alokany amin'ny hafaliam-be aho

Mahita hafaliana be sy faherezana ilay vehivavy fa eo akaikin'ny malalany.

ary ny voany dia mamy ao am-bavako

Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny voankazo mamy ny fampifalian'ny malalany.

trano amin'ny fanasam-be

efitrano tena lehibe izay nihinanan'ny olona sakafo be sy nankafizana ny fitsidihana miaraka amin'ny tsirairay

ary ny fanevany

Ny "faneva" dia tapa-damba lehibe izay notazonin'ny olona teo anoloan'ny tafika mba hitarihana ny lalana sy hanomezana hery ho an'ireo lehilahy hafa

ny fanevany amiko dia fitiavana

Mety natahotra ny hiditra tao amin'ny trano amin'ny fanasam-be ravehivavy, nefa ny fitiavan'ny malalany dia naneho azy ny lalana sy namporisika azy mba hiditra. DH: "nefa ny fitiavany dia nitari-dalana ahy sy nanome hery ahy tahaka ny faneva."