# Tahaka ny hazo paiso...ireo zatovolahy Tahaka ny hazo paiso izay tena mampahery sy mahafinaritra noho ny hazo hafa rehetra any an'ala no mampahery sy mahafinaritra ny malalan-dravehivavy noho ny tovovavy hafa rehetra. # hazo paiso hazo izay mamokatra voa kely mavo izay tena mamy # Mipetraka eo ambanin'ny alokany amin'ny hafaliam-be aho Mahita hafaliana be sy faherezana ilay vehivavy fa eo akaikin'ny malalany. # ary ny voany dia mamy ao am-bavako Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny voankazo mamy ny fampifalian'ny malalany. # trano amin'ny fanasam-be efitrano tena lehibe izay nihinanan'ny olona sakafo be sy nankafizana ny fitsidihana miaraka amin'ny tsirairay # ary ny fanevany Ny "faneva" dia tapa-damba lehibe izay notazonin'ny olona teo anoloan'ny tafika mba hitarihana ny lalana sy hanomezana hery ho an'ireo lehilahy hafa # ny fanevany amiko dia fitiavana Mety natahotra ny hiditra tao amin'ny trano amin'ny fanasam-be ravehivavy, nefa ny fitiavan'ny malalany dia naneho azy ny lalana sy namporisika azy mba hiditra. DH: "nefa ny fitiavany dia nitari-dalana ahy sy nanome hery ahy tahaka ny faneva."