plt_tn/sng/01/05.md

28 lines
873 B
Markdown

# Mivalomainty aho fa maha-te ho tia
"Mivalomainty ny hoditro, nefa mbola tsara tarehy ihany aho"
# mivalomainty tahaka ny lain'i Kedara
Ireo foko mpifindra monina any Kedara dia nampiasa hoditr'osy mainty mba hananganana ny tranon'izy ireo. Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny an'ireo lay ny hodiny.
# maha-te ho tia tahaka ireo lamban'i Solomona
Ampitahainy amin'ireo lamba tsara novokarin'i Solomona na ho an'ny lapany manokana na ho an'ny Tempoly ny hodiny.
# azon'ny
"may"
# ireo zanaka lahin'ny reniko
"Ireo rahalahy tsy iray ray amiko." Ireo rahalahy ireo dia mety hoe iray reny tahaka ilay vehivavy ihany fa tsy iray ray.
# mpiambina ny tanim-boaloboka
"olona izay mikarakara ny tanim-boaloboka"
# nefa ny tanim-boaloboko tsy mba nandrasako
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny tanim-boaloboka ny tenany. DH: "nefa tsy mba afaka ny hikarakara ny tenako aho."