plt_tn/psa/081/006.md

24 lines
870 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manomboka miteny Andriamanitra eto.
# Nesoriko ny enta-mavesatra teo an-tsorony
Eto "ny enta-mavesatra teo an-tsorony" dia maneho ny asa an-terivozona tsy maintsy nataon'ny vahoakan'Israely amin'ny maha andevo tany Egypta.
# afaka tamin'ny fihazonana sobika ny tanany
Eto ny "fihazonana ny sobika" dia maneho ny asa an-terivozona tsy maintsy nataon'ny vahoakan'Israely amin'ny maha andevo tany Egypta.
# tao anatin'ny fahorianao
"tao anatin'ny fijalianao mafy"
# namaly anao tamin'ny kotro-drahona maizina Aho
Rehefa tonga tamin'ny Israelita Andriamanitra, dia nanafina ny fahafenoan'ny fanatrehany sy ny voninahiny tanaty aizina sy rahona mampahatahotra.
# Nitsapa anao tao amin'ny ranon'i Meriba Aho
Andriamanitra nitsapa ny zanak'Israely mba hizahana raha natoky Azy hamatsy rano any an-tany efitr'i Meriba izy ireo.