# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manomboka miteny Andriamanitra eto. # Nesoriko ny enta-mavesatra teo an-tsorony Eto "ny enta-mavesatra teo an-tsorony" dia maneho ny asa an-terivozona tsy maintsy nataon'ny vahoakan'Israely amin'ny maha andevo tany Egypta. # afaka tamin'ny fihazonana sobika ny tanany Eto ny "fihazonana ny sobika" dia maneho ny asa an-terivozona tsy maintsy nataon'ny vahoakan'Israely amin'ny maha andevo tany Egypta. # tao anatin'ny fahorianao "tao anatin'ny fijalianao mafy" # namaly anao tamin'ny kotro-drahona maizina Aho Rehefa tonga tamin'ny Israelita Andriamanitra, dia nanafina ny fahafenoan'ny fanatrehany sy ny voninahiny tanaty aizina sy rahona mampahatahotra. # Nitsapa anao tao amin'ny ranon'i Meriba Aho Andriamanitra nitsapa ny zanak'Israely mba hizahana raha natoky Azy hamatsy rano any an-tany efitr'i Meriba izy ireo.