plt_tn/psa/081/006.md

870 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka miteny Andriamanitra eto.

Nesoriko ny enta-mavesatra teo an-tsorony

Eto "ny enta-mavesatra teo an-tsorony" dia maneho ny asa an-terivozona tsy maintsy nataon'ny vahoakan'Israely amin'ny maha andevo tany Egypta.

afaka tamin'ny fihazonana sobika ny tanany

Eto ny "fihazonana ny sobika" dia maneho ny asa an-terivozona tsy maintsy nataon'ny vahoakan'Israely amin'ny maha andevo tany Egypta.

tao anatin'ny fahorianao

"tao anatin'ny fijalianao mafy"

namaly anao tamin'ny kotro-drahona maizina Aho

Rehefa tonga tamin'ny Israelita Andriamanitra, dia nanafina ny fahafenoan'ny fanatrehany sy ny voninahiny tanaty aizina sy rahona mampahatahotra.

Nitsapa anao tao amin'ny ranon'i Meriba Aho

Andriamanitra nitsapa ny zanak'Israely mba hizahana raha natoky Azy hamatsy rano any an-tany efitr'i Meriba izy ireo.