plt_tn/psa/037/016.md

787 B

Tsara kokoa ny kely ananan'ny marina toy izay ny habetsaky ny an'ireo olona ratsy fanahy

Eto,ny tapany faharoa amin'ny fehezanteny dia manohitra ny voalohany. DH: "Tsara kokoa ny marina, na dia hoe mahantra aza ianao, toy izay ratsy fanahy misy harena be."

Tsara kokoa ny kely ananan'ny marina

"Tsara kokoa ny marina, na dia hoe mahantra aza ianao"

ny kely

Izany dia manondro ny fananana kely.

ananan'ny marina

Ity dia manondro ny olona izay marina. DH: "ananan'ny olo-marina"

ny habetsaka

Ity dia manondro ny haren'ny olona ratsy fanahy.

Fa ho tapahana ny sandrin'ny olona ratsy fanahy

Eto ny "sandry" dia maneho ny tanjaky ny olona ratsy fanahy. Ny famotehana ny sandriny dia maneho ny fanalana ny tanjany. DH: "Fa Yaveh hanala ny tanjaky ny olona ratsy fanahy"