plt_tn/pro/19/19.md

1.0 KiB

Ny olona be kizitina

Manondro ny olona mora tezitra io fomba fiteny io. DH: "Olona izay tsy mifehy ny fahatezerany" na "Olona izay mora tezitra"

tsy maintsy manefa ny sazy

Io dia manondro ny olona mizaka ny voka-dratsin'izay mitranga rehefa tezitra izy. Azo atao mazava ny hevitr'io fanambarana io feno. DH: "tsy maintsy hizaka ny voka-dratsin'ny fahatezerany" na "tsy maintsy hizaka ny voka-dratsin'izay atao amin'ny fahatezerany"

raha mamonjy azy ianao

"raha avotanao izy." Ilazana ny famonjena azy rehefa manao zavatra amin'ny fahatezerany io. Azo atao mazava ny hevitr'izany. DH: "raha mamonjy azy ianao aorian'ny nampisafoaka azy"

fanindroany

"indray"

Henoy ny torohevitra ary ekeo ny fampianarana

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averina mba hanindriana ny amin'ny lanjan'izany.

Henoy ny torohevitra

Fomba fiteny io. Eto ny hoe "henoy" dia tsy midika hoe mihaino fotsiny, fa mianatra amin'ny torohevitra izay nomena anao ary manaraka izany. DH: "Tandremo torohevitra" na "Araho ny torohevitra"