# Ny olona be kizitina Manondro ny olona mora tezitra io fomba fiteny io. DH: "Olona izay tsy mifehy ny fahatezerany" na "Olona izay mora tezitra" # tsy maintsy manefa ny sazy Io dia manondro ny olona mizaka ny voka-dratsin'izay mitranga rehefa tezitra izy. Azo atao mazava ny hevitr'io fanambarana io feno. DH: "tsy maintsy hizaka ny voka-dratsin'ny fahatezerany" na "tsy maintsy hizaka ny voka-dratsin'izay atao amin'ny fahatezerany" # raha mamonjy azy ianao "raha avotanao izy." Ilazana ny famonjena azy rehefa manao zavatra amin'ny fahatezerany io. Azo atao mazava ny hevitr'izany. DH: "raha mamonjy azy ianao aorian'ny nampisafoaka azy" # fanindroany "indray" # Henoy ny torohevitra ary ekeo ny fampianarana Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averina mba hanindriana ny amin'ny lanjan'izany. # Henoy ny torohevitra Fomba fiteny io. Eto ny hoe "henoy" dia tsy midika hoe mihaino fotsiny, fa mianatra amin'ny torohevitra izay nomena anao ary manaraka izany. DH: "Tandremo torohevitra" na "Araho ny torohevitra"