plt_tn/pro/07/22.md

1.0 KiB

Nandeha nanaraka azy avy tao aoriana tampoka

Toa misy hevitra ambadika izany fa fotoana fohy dia fohy no nalain'ilay tovolahy mba hisainana ny amin'izay tokony hataony. DH: "Nanapa-kevitra faingana ny hanaraka azy izy"

tahaka ny omby entina ... anaty fandrika

Ny fomba feno havendranana sy tsy nampoizina nanarahan'ilay tovolahy ilay vehivavy janga dia ampitahaina amin'ny tsy fahafantaran'ireo biby telo ny loza manjo azy.

ho vonoina

Entina ilazana ny famonoana biby mba hihinana ny henany io.

diera

Adikao araka ny ao amin'ny 5:18 io biby io.

mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin'ny atiny

Io andalana io dia misy hevitra ambadika fa nisy mpihaza namandrika ilay diera mba hitifitra azy amin'ny lefona. DH: "mandra-pitifitry ny mpihaza izany eo amin'izay manan-danja indrindra eo aminy"

atiny.

Eto ity taova ity dia entina ilazana ampahany iray tena manan-danja eo amin'ny vatana.

hahafaty ny ainy izany

Io dia fomba entina ilazana fa ho faty io olona io vokatr'izany. DH: "hamono azy izany" na "ho faty tsy ho ela izy"