plt_tn/pro/07/22.md

28 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Nandeha nanaraka azy avy tao aoriana tampoka
Toa misy hevitra ambadika izany fa fotoana fohy dia fohy no nalain'ilay tovolahy mba hisainana ny amin'izay tokony hataony. DH: "Nanapa-kevitra faingana ny hanaraka azy izy"
# tahaka ny omby entina ... anaty fandrika
Ny fomba feno havendranana sy tsy nampoizina nanarahan'ilay tovolahy ilay vehivavy janga dia ampitahaina amin'ny tsy fahafantaran'ireo biby telo ny loza manjo azy.
# ho vonoina
Entina ilazana ny famonoana biby mba hihinana ny henany io.
# diera
Adikao araka ny ao amin'ny 5:18 io biby io.
# mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin'ny atiny
Io andalana io dia misy hevitra ambadika fa nisy mpihaza namandrika ilay diera mba hitifitra azy amin'ny lefona. DH: "mandra-pitifitry ny mpihaza izany eo amin'izay manan-danja indrindra eo aminy"
# atiny.
Eto ity taova ity dia entina ilazana ampahany iray tena manan-danja eo amin'ny vatana.
# hahafaty ny ainy izany
Io dia fomba entina ilazana fa ho faty io olona io vokatr'izany. DH: "hamono azy izany" na "ho faty tsy ho ela izy"