# Nandeha nanaraka azy avy tao aoriana tampoka Toa misy hevitra ambadika izany fa fotoana fohy dia fohy no nalain'ilay tovolahy mba hisainana ny amin'izay tokony hataony. DH: "Nanapa-kevitra faingana ny hanaraka azy izy" # tahaka ny omby entina ... anaty fandrika Ny fomba feno havendranana sy tsy nampoizina nanarahan'ilay tovolahy ilay vehivavy janga dia ampitahaina amin'ny tsy fahafantaran'ireo biby telo ny loza manjo azy. # ho vonoina Entina ilazana ny famonoana biby mba hihinana ny henany io. # diera Adikao araka ny ao amin'ny 5:18 io biby io. # mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin'ny atiny Io andalana io dia misy hevitra ambadika fa nisy mpihaza namandrika ilay diera mba hitifitra azy amin'ny lefona. DH: "mandra-pitifitry ny mpihaza izany eo amin'izay manan-danja indrindra eo aminy" # atiny. Eto ity taova ity dia entina ilazana ampahany iray tena manan-danja eo amin'ny vatana. # hahafaty ny ainy izany Io dia fomba entina ilazana fa ho faty io olona io vokatr'izany. DH: "hamono azy izany" na "ho faty tsy ho ela izy"