plt_tn/num/16/12.md

28 lines
1.4 KiB
Markdown

# Zavatra kely aminao angaha ny nitondranao anay...mba hamono anay any an'efitra?
Mampiasa io fanontaniana io i Datana sy Abirama mba hibedesana an'i Mosesy. Afaka adika ho fanambarana izany. DH: "Nitondra tena toy hoe zavatra kely aminao ny nitondra anay...mba hamono anay any an'efitra."
# Zavatra kely
"tsy ampy" na "tsy manan-danja"
# ny tany tondra-dronono sy tantely
Ny tany tsara ho an'ny biby sy ny zava-maniry dia resahin'izy ireo toy ny hoe tondraka ao amin'ilay tany ny ronono sy ny tantely avy amin'ireo biby sy zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:27. DH: "Tena tsara ho an'ny fiompiana biby fiompy sy fambolena vokatra tokoa izany" na "Tena tany mahavokatra tokoa izany"
# ho lova
Izay homen'Andriamanitra azy ireo ho azy ireo mandrakizay dia resahin'izy ireo toy ny hoe lova.
# Ankehitriny dia maniry hahajamba anay amin'ireo fampanantenana foana ve Ianao?
Mampiasa io fanontaniana io ny olona mba hiampangana an'i Mosesy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Te hanajamba anay amin'ny fampanantenana foana ianao ankehitriny."
# hahajamba anay
Ny famitahana olona dia resahina toy ny hoe manajamba azy ireo. DH: "mamitaka anay"
# amin'ireo fampanantenana foana
Ireo fampanantenana izay tsy notanana dia resahin'izy ireo toy ny hoe fitoeran-javatra poak'aty. DH: "amin'ireo fampanantenana izay tsy notananao" na "tamin'ny fampanatenana ny hanao ireo zavatra izay tsy nataonao"