plt_tn/num/16/12.md

1.4 KiB

Zavatra kely aminao angaha ny nitondranao anay...mba hamono anay any an'efitra?

Mampiasa io fanontaniana io i Datana sy Abirama mba hibedesana an'i Mosesy. Afaka adika ho fanambarana izany. DH: "Nitondra tena toy hoe zavatra kely aminao ny nitondra anay...mba hamono anay any an'efitra."

Zavatra kely

"tsy ampy" na "tsy manan-danja"

ny tany tondra-dronono sy tantely

Ny tany tsara ho an'ny biby sy ny zava-maniry dia resahin'izy ireo toy ny hoe tondraka ao amin'ilay tany ny ronono sy ny tantely avy amin'ireo biby sy zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:27. DH: "Tena tsara ho an'ny fiompiana biby fiompy sy fambolena vokatra tokoa izany" na "Tena tany mahavokatra tokoa izany"

ho lova

Izay homen'Andriamanitra azy ireo ho azy ireo mandrakizay dia resahin'izy ireo toy ny hoe lova.

Ankehitriny dia maniry hahajamba anay amin'ireo fampanantenana foana ve Ianao?

Mampiasa io fanontaniana io ny olona mba hiampangana an'i Mosesy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Te hanajamba anay amin'ny fampanantenana foana ianao ankehitriny."

hahajamba anay

Ny famitahana olona dia resahina toy ny hoe manajamba azy ireo. DH: "mamitaka anay"

amin'ireo fampanantenana foana

Ireo fampanantenana izay tsy notanana dia resahin'izy ireo toy ny hoe fitoeran-javatra poak'aty. DH: "amin'ireo fampanantenana izay tsy notananao" na "tamin'ny fampanatenana ny hanao ireo zavatra izay tsy nataonao"