# Zavatra kely aminao angaha ny nitondranao anay...mba hamono anay any an'efitra? Mampiasa io fanontaniana io i Datana sy Abirama mba hibedesana an'i Mosesy. Afaka adika ho fanambarana izany. DH: "Nitondra tena toy hoe zavatra kely aminao ny nitondra anay...mba hamono anay any an'efitra." # Zavatra kely "tsy ampy" na "tsy manan-danja" # ny tany tondra-dronono sy tantely Ny tany tsara ho an'ny biby sy ny zava-maniry dia resahin'izy ireo toy ny hoe tondraka ao amin'ilay tany ny ronono sy ny tantely avy amin'ireo biby sy zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:27. DH: "Tena tsara ho an'ny fiompiana biby fiompy sy fambolena vokatra tokoa izany" na "Tena tany mahavokatra tokoa izany" # ho lova Izay homen'Andriamanitra azy ireo ho azy ireo mandrakizay dia resahin'izy ireo toy ny hoe lova. # Ankehitriny dia maniry hahajamba anay amin'ireo fampanantenana foana ve Ianao? Mampiasa io fanontaniana io ny olona mba hiampangana an'i Mosesy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Te hanajamba anay amin'ny fampanantenana foana ianao ankehitriny." # hahajamba anay Ny famitahana olona dia resahina toy ny hoe manajamba azy ireo. DH: "mamitaka anay" # amin'ireo fampanantenana foana Ireo fampanantenana izay tsy notanana dia resahin'izy ireo toy ny hoe fitoeran-javatra poak'aty. DH: "amin'ireo fampanantenana izay tsy notananao" na "tamin'ny fampanatenana ny hanao ireo zavatra izay tsy nataonao"