plt_tn/num/03/03.md

706 B

ireo mpisorona izay voahosotra sy voatokana

DH: "ireo mpisorona izay nosoran'i Mosesy sy natokany"

Nadaba...Abiho...Itamara

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:1 ireo anaran-dehilahy ireo.

lavo maty teo anatrehan'i Yaveh

Ny andianteny hoe "lavo maty'' dia midika hoe maty tampoka. DH: "maty tampoka teo anatrehan'i Yaveh"

teo anatrehan'i Yaveh

Io dia manondro ny fanatrehan'i Yaveh, midika fa nahita ny zavatra rehetra izay nitranga i Yaveh. DH: "teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"

nanolotra Azy afo tsy azo ekena

Eto ny teny hoe "afo" dia nampiasaina mba hanondroana ny "fandorana ditin-kazo manitra." DH: "nandoro ditin-kazo manitra tamin'ny fomba tsy nankasitrahin'i Yaveh izy ireo"