plt_tn/mrk/03/01.md

975 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy nanasitrana lehilahy tamin'ny Sabata tao amin'ny synagoga ary nampiseho ny fihetsem-pony momba izay nataon'ireo Fariseo niaraka tamin'ny lalàn'ny Sabata. Ireo Fariseo sy ireo Herodiana dia nanomboka drafitra mba hanamelohana ho faty an'i Jesosy.

olona sasantsasany

"Fariseo sasantsasany." Aoriana kely ao, ao amin'ny andininy 3:5, ireo olona sasantsasany dia ho voatonona ho toy ny Fariseo.

lehilahy maty tanana

"lehilahy izay malemy tanana"

Nijery akaiky Azy ny olona sasantsasany mba hahita raha hanasitrana azy Izy

"Ireo Fariseo nijery akaiky an'i Jesosy mba hahita raha afaka hanasitrana an'ilay lehilahy malemy tanana Izy"

manameloka Azy

Ireo Fariseo dia te-hanameloka ho faty an'i Jesosy tamin'ny fandikana ny lalàna tamin'ny alalan'ny fiasana tamin'ny Sabata, tamin'ny mety ho fanasitranany ilay lehilahy. DH: "manameloka Azy amin'ny fanaovana zavatra diso" na "manameloka Azy amin'ny fandikana lalàna"