# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jesosy nanasitrana lehilahy tamin'ny Sabata tao amin'ny synagoga ary nampiseho ny fihetsem-pony momba izay nataon'ireo Fariseo niaraka tamin'ny lalàn'ny Sabata. Ireo Fariseo sy ireo Herodiana dia nanomboka drafitra mba hanamelohana ho faty an'i Jesosy. # olona sasantsasany "Fariseo sasantsasany." Aoriana kely ao, ao amin'ny andininy 3:5, ireo olona sasantsasany dia ho voatonona ho toy ny Fariseo. # lehilahy maty tanana "lehilahy izay malemy tanana" # Nijery akaiky Azy ny olona sasantsasany mba hahita raha hanasitrana azy Izy "Ireo Fariseo nijery akaiky an'i Jesosy mba hahita raha afaka hanasitrana an'ilay lehilahy malemy tanana Izy" # manameloka Azy Ireo Fariseo dia te-hanameloka ho faty an'i Jesosy tamin'ny fandikana ny lalàna tamin'ny alalan'ny fiasana tamin'ny Sabata, tamin'ny mety ho fanasitranany ilay lehilahy. DH: "manameloka Azy amin'ny fanaovana zavatra diso" na "manameloka Azy amin'ny fandikana lalàna"