plt_tn/mrk/02/23.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Jesosy dia manome ohatra avy ao amin'ny Soratra Masina ho an'ireo Fariseo mba hampiseho hoe nahoana ireo mpianatra no tsy diso raha nioty voa amin'ny Sabata.
# nioty salohim-bary ... manao zavatra tsy araky ny lalànan'ny andro Sabata
Fiotazana voa amin'ny tanim-bary hafa sy mihinana izany dia tsy raisina ho fangalarana. Ny fanontaniana dia raha ara-dalàna ny manao izany amin'ny Sabata.
# mioty salohim-bary
Ireo mpianatra dia nioty salohim-bary mba hohanina. Izany dia afaka aseho amin'ny dikany manontolo. DH: "mioty sy mihinana ny salohim-bary"
# salohim-bary
Ilay farany ambony amin'ny vary izany, izay karazana bozaka lava. Mitazona ny voa efa masaka na ny voan'ilay vary.
# Jereo, nahoana izy ireo no manao zavatra tsy araky ny lalànan'ny andro Sabata?
Ireo Fariseo dia manontany an'i Jesosy mba hanameloka Azy. Afaka adika hoe: "Jereo, mandika ny lalàn'ny Jiosy momba ny Sabata izy ireo."
# Jereo
"Jereo io" na "Henoy." Io dia teny ampiasaina hampaliana olona iray mba hampisehoana zavatra azy.