# Fampifandraisana ny foto-kevitra Jesosy dia manome ohatra avy ao amin'ny Soratra Masina ho an'ireo Fariseo mba hampiseho hoe nahoana ireo mpianatra no tsy diso raha nioty voa amin'ny Sabata. # nioty salohim-bary ... manao zavatra tsy araky ny lalànan'ny andro Sabata Fiotazana voa amin'ny tanim-bary hafa sy mihinana izany dia tsy raisina ho fangalarana. Ny fanontaniana dia raha ara-dalàna ny manao izany amin'ny Sabata. # mioty salohim-bary Ireo mpianatra dia nioty salohim-bary mba hohanina. Izany dia afaka aseho amin'ny dikany manontolo. DH: "mioty sy mihinana ny salohim-bary" # salohim-bary Ilay farany ambony amin'ny vary izany, izay karazana bozaka lava. Mitazona ny voa efa masaka na ny voan'ilay vary. # Jereo, nahoana izy ireo no manao zavatra tsy araky ny lalànan'ny andro Sabata? Ireo Fariseo dia manontany an'i Jesosy mba hanameloka Azy. Afaka adika hoe: "Jereo, mandika ny lalàn'ny Jiosy momba ny Sabata izy ireo." # Jereo "Jereo io" na "Henoy." Io dia teny ampiasaina hampaliana olona iray mba hampisehoana zavatra azy.