plt_tn/mrk/02/23.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy dia manome ohatra avy ao amin'ny Soratra Masina ho an'ireo Fariseo mba hampiseho hoe nahoana ireo mpianatra no tsy diso raha nioty voa amin'ny Sabata.

nioty salohim-bary ... manao zavatra tsy araky ny lalànan'ny andro Sabata

Fiotazana voa amin'ny tanim-bary hafa sy mihinana izany dia tsy raisina ho fangalarana. Ny fanontaniana dia raha ara-dalàna ny manao izany amin'ny Sabata.

mioty salohim-bary

Ireo mpianatra dia nioty salohim-bary mba hohanina. Izany dia afaka aseho amin'ny dikany manontolo. DH: "mioty sy mihinana ny salohim-bary"

salohim-bary

Ilay farany ambony amin'ny vary izany, izay karazana bozaka lava. Mitazona ny voa efa masaka na ny voan'ilay vary.

Jereo, nahoana izy ireo no manao zavatra tsy araky ny lalànan'ny andro Sabata?

Ireo Fariseo dia manontany an'i Jesosy mba hanameloka Azy. Afaka adika hoe: "Jereo, mandika ny lalàn'ny Jiosy momba ny Sabata izy ireo."

Jereo

"Jereo io" na "Henoy." Io dia teny ampiasaina hampaliana olona iray mba hampisehoana zavatra azy.