plt_tn/mat/13/16.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Mamarana ny fanazavany ny antony hampianarany amin'ny alalan'ny fanoharana amin'ireo mpianany i Jesosy.
# Fa sambatra ny masonareo, satria mahita; ary ny sofinareo, satria mandre
Samy mitovy hevitra ihany ireo fanambarana anankiroa ireo. Tsindrian'i Jesosy fa nankasitrahan'Andriamanitra izy ireo satria nino izy nolazainy sy nataon'i Jesosy.
# Fa sambatra ny masonareo, satria mahita
Eto ny "maso" dia ilazana ilay olona manontolo. DH: "Sambatra ianareo satria afaka mahita ny masonareo"
# masonareo ... hitanareo
Manondro ireo mpianatra ireo.
# ary ny sofinareo, satria mandre
Eto ny "sofina" dia ilazana ilay olona manontolo. Afaka ataonao mazava tsara io. DH: "ary sambatra ianareo satria afaka mandre ny sofinareo"
# Lazaiko marina aminareo
"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.
# ireo zavatra izay hitanareo
Azonao azavaina ny zavatra hitan'izy ireo. DH: "ireo zavatra hitanareo nataoko"
# ireo zavatra izay renareo
Azonao azavaina ny zavatra ren'izy ireo. DH: "ireo zavatra renareo nolazaiko"