plt_tn/mat/12/38.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny resaka ato amin'ireto andininy ireto dia niseho avy hatrany taorian'ny namalian'i Jesosy ny fiampangan'ireo fariseo Azy ho nanasitrana ilay lehilahy tamin'ny herin'i Satana.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 39, dia manomboka mananatra ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo i Jesosy.

maniry

"tianay ny"

ny ahita famatarana avy aminao

Azonao atao mazava ny antony hanirian'izy ireo hahita famantarana. DH: "hahita famantarana avy aminao izay manaporofo fa marina izay lazainao"

Misy taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga mitady famantarana ... omena azy

Miresaka amin'ny taranaka tamin'io fotoana io i Jesosy. DH: ''Ianareo dia taranaka ratsy sy mpijangajanga izay mangataka famantarana avy amiko ... omena anareo"

taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga

Eto ny hoe ''mpijangajanga" dia sarin-teny ilazana ireo olona izay tsy mino Andriamanitra. DH: "taranaka tsy mino" na "taranaka tsy manana an'Andriamanitra"

mitady famantarana

Ity fangatahana ity dia nahatezitra an'i Jesosy nohon'ny toe-tsain'izy ireo feno fanahiana momba an'i Jesosy. Efa nanao fahagagana maro Izy, saingy mbola tsy nino Azy ihany izy ireo.

tsy misy famatarana omena

Azo atao hoe DH: "Tsy hanome famantarana Andriamanitra"

afa-tsy ny famataran'i Jona

"afa-tsy ilay famantarana izay nomen'Andriamanitra an'i Jona mpaminany ihany"

telo andro sy telo alina

Eto ny "andro" sy "alina" dia midika 24 ora feno. DH: "telo andro maninjitra"

zanak'olona

Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy.

ao anatin'ny tany

Any anaty fasana no dikan'io.