# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ny resaka ato amin'ireto andininy ireto dia niseho avy hatrany taorian'ny namalian'i Jesosy ny fiampangan'ireo fariseo Azy ho nanasitrana ilay lehilahy tamin'ny herin'i Satana. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ao amin'ny andininy faha 39, dia manomboka mananatra ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo i Jesosy. # maniry "tianay ny" # ny ahita famatarana avy aminao Azonao atao mazava ny antony hanirian'izy ireo hahita famantarana. DH: "hahita famantarana avy aminao izay manaporofo fa marina izay lazainao" # Misy taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga mitady famantarana ... omena azy Miresaka amin'ny taranaka tamin'io fotoana io i Jesosy. DH: ''Ianareo dia taranaka ratsy sy mpijangajanga izay mangataka famantarana avy amiko ... omena anareo" # taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga Eto ny hoe ''mpijangajanga" dia sarin-teny ilazana ireo olona izay tsy mino Andriamanitra. DH: "taranaka tsy mino" na "taranaka tsy manana an'Andriamanitra" # mitady famantarana Ity fangatahana ity dia nahatezitra an'i Jesosy nohon'ny toe-tsain'izy ireo feno fanahiana momba an'i Jesosy. Efa nanao fahagagana maro Izy, saingy mbola tsy nino Azy ihany izy ireo. # tsy misy famatarana omena Azo atao hoe DH: "Tsy hanome famantarana Andriamanitra" # afa-tsy ny famataran'i Jona "afa-tsy ilay famantarana izay nomen'Andriamanitra an'i Jona mpaminany ihany" # telo andro sy telo alina Eto ny "andro" sy "alina" dia midika 24 ora feno. DH: "telo andro maninjitra" # zanak'olona Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. # ao anatin'ny tany Any anaty fasana no dikan'io.