plt_tn/mat/12/38.md

48 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ny resaka ato amin'ireto andininy ireto dia niseho avy hatrany taorian'ny namalian'i Jesosy ny fiampangan'ireo fariseo Azy ho nanasitrana ilay lehilahy tamin'ny herin'i Satana.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ao amin'ny andininy faha 39, dia manomboka mananatra ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo i Jesosy.
# maniry
"tianay ny"
# ny ahita famatarana avy aminao
Azonao atao mazava ny antony hanirian'izy ireo hahita famantarana. DH: "hahita famantarana avy aminao izay manaporofo fa marina izay lazainao"
# Misy taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga mitady famantarana ... omena azy
Miresaka amin'ny taranaka tamin'io fotoana io i Jesosy. DH: ''Ianareo dia taranaka ratsy sy mpijangajanga izay mangataka famantarana avy amiko ... omena anareo"
# taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga
Eto ny hoe ''mpijangajanga" dia sarin-teny ilazana ireo olona izay tsy mino Andriamanitra. DH: "taranaka tsy mino" na "taranaka tsy manana an'Andriamanitra"
# mitady famantarana
Ity fangatahana ity dia nahatezitra an'i Jesosy nohon'ny toe-tsain'izy ireo feno fanahiana momba an'i Jesosy. Efa nanao fahagagana maro Izy, saingy mbola tsy nino Azy ihany izy ireo.
# tsy misy famatarana omena
Azo atao hoe DH: "Tsy hanome famantarana Andriamanitra"
# afa-tsy ny famataran'i Jona
"afa-tsy ilay famantarana izay nomen'Andriamanitra an'i Jona mpaminany ihany"
# telo andro sy telo alina
Eto ny "andro" sy "alina" dia midika 24 ora feno. DH: "telo andro maninjitra"
# zanak'olona
Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy.
# ao anatin'ny tany
Any anaty fasana no dikan'io.