plt_tn/mat/12/07.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mamaly ireo Fariseo i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 7, milaza ny teninin'i Hosea i Jesosy mba hananarana ireo Fariseo.

Raha fantatrareo ny hevitry ny hoe: 'Famindram-po no iriko fa tsy sorona,' dia tsy nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo

Eto i Jesosy dia manambara ny soratra masina. DH: "Nosoratan'i Hosea hatry ny ela izao: 'Famindram-po no iriko fa tsy sorona.' Raha nahazo ny dikan'izany ianareo, dia tsy ho nanameloka ireo tsy manan-tsiny"

Famindram-po no iriko fa tsy sorona

Ao amin'ny lalàn'i Mosesy, dia nandidy ireo Zanak'Israely mba hanolotra sorona Andriamanitra. Ny dikan'io dia hoe raisin'Andriamanitra ho manan-danja kokoa ny famindram-po noho ny sorona.

iriko

Ny mpisolotena tampisaka "-ko" dia manondro an'Andriamanitra.

tsy manan-tsiny

Azo adika hoe DH: "ireo izay tsy manan-tsiny"

Zanak'Olona

Milaza ny amin'ny tenany i Jesosy.

no Tompon'ny Sabata

"no manapaka ny Sabata" na "manao ny lalàna momba izay afaka ataon'ny olona amin'ny Sabata"