# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mamaly ireo Fariseo i Jesosy. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ao amin'ny andininy faha 7, milaza ny teninin'i Hosea i Jesosy mba hananarana ireo Fariseo. # Raha fantatrareo ny hevitry ny hoe: 'Famindram-po no iriko fa tsy sorona,' dia tsy nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo Eto i Jesosy dia manambara ny soratra masina. DH: "Nosoratan'i Hosea hatry ny ela izao: 'Famindram-po no iriko fa tsy sorona.' Raha nahazo ny dikan'izany ianareo, dia tsy ho nanameloka ireo tsy manan-tsiny" # Famindram-po no iriko fa tsy sorona Ao amin'ny lalàn'i Mosesy, dia nandidy ireo Zanak'Israely mba hanolotra sorona Andriamanitra. Ny dikan'io dia hoe raisin'Andriamanitra ho manan-danja kokoa ny famindram-po noho ny sorona. # iriko Ny mpisolotena tampisaka "-ko" dia manondro an'Andriamanitra. # tsy manan-tsiny Azo adika hoe DH: "ireo izay tsy manan-tsiny" # Zanak'Olona Milaza ny amin'ny tenany i Jesosy. # no Tompon'ny Sabata "no manapaka ny Sabata" na "manao ny lalàna momba izay afaka ataon'ny olona amin'ny Sabata"