plt_tn/luk/16/29.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tapitra ny fitantaran'i Jesosy tantara momban'ilay lehilahy mpanan-karena sy Lazarosy.

Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy ireo

Milaza ity fa Abrahama dia nandà haniraka an'i Lazarosy hankany amin'ireo rahalahin'ilay lehilahy mpanan-karena. DH: "Tsia, tsy hanao izany aho, satria manana izay nosoratan'i Mosesy sy ny mpaminany efa ela ireo rahalahinao.

Mosesy sy ny mpaminany

Ity dia maneho an'izay nosoratan'izy ireo. DH: "izay nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany''

aoka izy ireo hihaino azy ireo

"ireo rahalahinao dia tokony hitandrina an'i Mosesy sy ireo mpaminany"

raha misy avy amin'ny maty mankany amin'izy ireo

Ity dia mamaritra zava-misy iray izay tsy nitranga, fa tian'ilay lehilahy mpanan-karena hitranga. DH: '"raha misy olona efa maty te hankany amin'izy ireo" na "raha misy olona efa maty te-ho any amin'izy ireo ary hampitandrina azy ireo"

Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo

''raha tsy mitandrina izay voasoratr'i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo''

dia tsy ho resy lahatra mihintsy na hisy olona hitsangana amin'ny maty aza

DH: "tsy hisy olona nitsangana tamin'ny maty afaka handresy lahatra azy ireo" na ''tsy hino izy ireo na dia misy olona mitsangana amin'ny maty aza''