# Fampifandraisana ny foto-kevitra Tapitra ny fitantaran'i Jesosy tantara momban'ilay lehilahy mpanan-karena sy Lazarosy. # Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy ireo Milaza ity fa Abrahama dia nandà haniraka an'i Lazarosy hankany amin'ireo rahalahin'ilay lehilahy mpanan-karena. DH: "Tsia, tsy hanao izany aho, satria manana izay nosoratan'i Mosesy sy ny mpaminany efa ela ireo rahalahinao. # Mosesy sy ny mpaminany Ity dia maneho an'izay nosoratan'izy ireo. DH: "izay nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany'' # aoka izy ireo hihaino azy ireo "ireo rahalahinao dia tokony hitandrina an'i Mosesy sy ireo mpaminany" # raha misy avy amin'ny maty mankany amin'izy ireo Ity dia mamaritra zava-misy iray izay tsy nitranga, fa tian'ilay lehilahy mpanan-karena hitranga. DH: '"raha misy olona efa maty te hankany amin'izy ireo" na "raha misy olona efa maty te-ho any amin'izy ireo ary hampitandrina azy ireo" # Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo ''raha tsy mitandrina izay voasoratr'i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo'' # dia tsy ho resy lahatra mihintsy na hisy olona hitsangana amin'ny maty aza DH: "tsy hisy olona nitsangana tamin'ny maty afaka handresy lahatra azy ireo" na ''tsy hino izy ireo na dia misy olona mitsangana amin'ny maty aza''