plt_tn/luk/11/42.md

1.0 KiB

mandoa ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hazo hafa eny an-tsaha ianareo

''manome ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hazo hafa eny an-tsaha ho an'Andriamanitra ianareo." Jesosy nanome ohatra ny atafahoatran'ireo Fariseo amin'ny fanomezana ny ampahafolon'ny vola miditra amin'izy ireo.

solila sy rota

Ireo dia zava-maniry. Asin'ny olona ravina kelin'io fotsiny ny sakafon'izy ireo mba hanome ny tsirony. Raha tsy mahafantatra ny atao hoe solila sy rota ny olona, dia afaka mampiasa anarana zava-maniry izay fantatr'izy ireo ianao na fomba fiteny ankapobeny toy ny hoe ''zava-maniry."

ireo hazo hafa eny an-tsaha

Ireo dikateny azo atao: 1) ''ireo legioma hafa rehetra eny an-tsaha" na 2) "ireo zava-maniry hafa rehetra eny an-tsaha."

ny fitiavan'Andriamanitra

"mitia an'Andriamanitra" na "fitiavana an'Andriamanitra." Andriamanitra dia ilay iray izay tiana.

tsy manadino manao ireo zavatra hafa ihany koa

Ny hoe "tsy manadino" dia manamafy fa ity dia tokony ho atao foana. DH: "ary manao ireo zavatra hafa foana ihany koa"