# mandoa ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hazo hafa eny an-tsaha ianareo ''manome ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hazo hafa eny an-tsaha ho an'Andriamanitra ianareo." Jesosy nanome ohatra ny atafahoatran'ireo Fariseo amin'ny fanomezana ny ampahafolon'ny vola miditra amin'izy ireo. # solila sy rota Ireo dia zava-maniry. Asin'ny olona ravina kelin'io fotsiny ny sakafon'izy ireo mba hanome ny tsirony. Raha tsy mahafantatra ny atao hoe solila sy rota ny olona, dia afaka mampiasa anarana zava-maniry izay fantatr'izy ireo ianao na fomba fiteny ankapobeny toy ny hoe ''zava-maniry." # ireo hazo hafa eny an-tsaha Ireo dikateny azo atao: 1) ''ireo legioma hafa rehetra eny an-tsaha" na 2) "ireo zava-maniry hafa rehetra eny an-tsaha." # ny fitiavan'Andriamanitra "mitia an'Andriamanitra" na "fitiavana an'Andriamanitra." Andriamanitra dia ilay iray izay tiana. # tsy manadino manao ireo zavatra hafa ihany koa Ny hoe "tsy manadino" dia manamafy fa ity dia tokony ho atao foana. DH: "ary manao ireo zavatra hafa foana ihany koa"