plt_tn/luk/08/11.md

904 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manomboka manazava amin'ireo mpianany ny dikan'ny fanoharana momban'ilay tany.

ny voa dia ny tenin'Andriamanitra

"ny voa dia maneho ny tenin'Andriamanitra"

Ireo voafafy teny amin'ny sisin-dalana

"Ireo voa voafafy teny amin'ny sisin-dalana." DH: "Izay mitranga amin'ireo voa voafafy teny an-dalana"

dia ireo izay

DH: "mampiseho izay mitranga amin'ny olona izay"

tonga ny devoly ka maka ilay teny tao am-pony

Ity dia midika hoe ataony adinon'izy ireo ny tenin'Andriamanitra izay ren'izy ireo teo.

ireo teo amin'ny vatolampy

"ireo voa izay voafafy teny amin'ny tany be vato." DH: "Izay mitranga amin'ireo voa eny amin'ny tany feno vato"

amin'ny fotoana fitsapana

"rehefa miaina zava-tsarotra izy ireo"

dia lavo izy ireo

Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "nitsahatra tsy nino izy ireo" na "tsy nanaraka an'i Jesosy intsony izy ireo"