# Fampifandraisana ny foto-kevitra Jesosy manomboka manazava amin'ireo mpianany ny dikan'ny fanoharana momban'ilay tany. # ny voa dia ny tenin'Andriamanitra "ny voa dia maneho ny tenin'Andriamanitra" # Ireo voafafy teny amin'ny sisin-dalana "Ireo voa voafafy teny amin'ny sisin-dalana." DH: "Izay mitranga amin'ireo voa voafafy teny an-dalana" # dia ireo izay DH: "mampiseho izay mitranga amin'ny olona izay" # tonga ny devoly ka maka ilay teny tao am-pony Ity dia midika hoe ataony adinon'izy ireo ny tenin'Andriamanitra izay ren'izy ireo teo. # ireo teo amin'ny vatolampy "ireo voa izay voafafy teny amin'ny tany be vato." DH: "Izay mitranga amin'ireo voa eny amin'ny tany feno vato" # amin'ny fotoana fitsapana "rehefa miaina zava-tsarotra izy ireo" # dia lavo izy ireo Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "nitsahatra tsy nino izy ireo" na "tsy nanaraka an'i Jesosy intsony izy ireo"