plt_tn/job/40/08.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manomboka miteny mafy an'i Joba amin'ny alalan'nhy fametrahana fanontaniana indray i Yaveh.

Moa hilaza tokoa ve ianao fa tsy marina Aho?

Ny teny "moa" dia manondro fa gaga i Yaveh ny amin'ny hilazan'i Joba fa Yaveh dia tsy marina ary tokony hieritreritra tsara i Joba ny amin'y hamaliany izany. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "gaga Aho ny amin'ny ilazanao fa tsy marina Aho." na "tokony hieritreritra tsara ianao ny amin'ny hitenenanao fa tsy marina Aho, satria izany no lazainao."

Hanameloka Ahy ve ianao mba hitenenanao hoe marina ianao

Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "manameloka Ahy ianao mba hiheveranao tena fa tsy mana-tsiny ianao."

sandry tahaka ny an'Andriamanitra

ny "sandry" dia sarin-tenin'ny herin-tsandry. DH: "hery tahaka ny herin'Andriamanitra"

Mahay mampikotrokotro-peo tahaka Azy ve ianao?

Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy afaka mampikotrokotroka ny feonao tahaka ny hanaovan'Andriamanitra ny Azy tokoa ianao."

feo tahaka Azy

"feo tahaka ny ataony." Ny nakamaroan'ny dikan-teny dia manao hoe: "feo tahaka ny feony" (Jereo ny UDB).