# Fampifandraisana ny foto-kevitra : Manomboka miteny mafy an'i Joba amin'ny alalan'nhy fametrahana fanontaniana indray i Yaveh. # Moa hilaza tokoa ve ianao fa tsy marina Aho? Ny teny "moa" dia manondro fa gaga i Yaveh ny amin'ny hilazan'i Joba fa Yaveh dia tsy marina ary tokony hieritreritra tsara i Joba ny amin'y hamaliany izany. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "gaga Aho ny amin'ny ilazanao fa tsy marina Aho." na "tokony hieritreritra tsara ianao ny amin'ny hitenenanao fa tsy marina Aho, satria izany no lazainao." # Hanameloka Ahy ve ianao mba hitenenanao hoe marina ianao Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "manameloka Ahy ianao mba hiheveranao tena fa tsy mana-tsiny ianao." # sandry tahaka ny an'Andriamanitra ny "sandry" dia sarin-tenin'ny herin-tsandry. DH: "hery tahaka ny herin'Andriamanitra" # Mahay mampikotrokotro-peo tahaka Azy ve ianao? Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy afaka mampikotrokotroka ny feonao tahaka ny hanaovan'Andriamanitra ny Azy tokoa ianao." # feo tahaka Azy "feo tahaka ny ataony." Ny nakamaroan'ny dikan-teny dia manao hoe: "feo tahaka ny feony" (Jereo ny UDB).