plt_tn/job/27/08.md

1.6 KiB

Fa inona no fanantenan'ny mpaniratsira rehefa ... rehefa esorin'Andriamanitra ny ainy?

Mampiasa io fanontaniana i Joba mba hilazany fa ny olona tahaka izay dia tsy manana fanatenana. DH: "Tsy misy fanatenana ho an'ny olona mpaniratsira rehefa ...manala ny fanahiny."

rehefa haringan'Andriamanitra izy, rehefa esorin'Andriamanitra ny ainy

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny dikany. DH: "rehefa mandringana azy sy manala ny ainy Andriamanitra" na "rehefa mamono azy Andriamanitra"

mandringana azy

Io dia sarin-teny izay midika hoe "mamono azy" na "mahafaty azy"

esorin'Andriamanitra ny ainy

Io dia sarin-teny izany midika ho "mamono azy" na "mahafaty azy"

Moa ho ren'Andriamanitra ny fitarainany rehefa tonga aminy ny fahoriana?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hilazany fa tsy hanampy ireo izany olona izany Andriamanitra. DH: "Tsy hihaino azy ireo Andriamanitra rehefa tonga ao amin'izy ireo ny fahoriana." na "rehefa tonga ao amin'izy ireo ny fahoriana ka hiantso vonjy izy ireo, dia tsyhihaino azy ireo Andriamanitra."

Moa ho henon'Andriamanitra

Eto, "mihano ny fitarainany" dia mampiseho famaliana fitarainana sy fanampiana ny olona mpaniratsira. DH: "hamaly ny fitarainainany ve Andriamanitra"

Moa hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hilazany fa ny olona mpaniratsira dia tsy hanao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary tsy hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra." na "Tsy ho faly amin'izay ataon'ilay Tsitoha izy ary tsy dia hivavaka firy amin'Andriamanitra."