# Fa inona no fanantenan'ny mpaniratsira rehefa ... rehefa esorin'Andriamanitra ny ainy? Mampiasa io fanontaniana i Joba mba hilazany fa ny olona tahaka izay dia tsy manana fanatenana. DH: "Tsy misy fanatenana ho an'ny olona mpaniratsira rehefa ...manala ny fanahiny." # rehefa haringan'Andriamanitra izy, rehefa esorin'Andriamanitra ny ainy Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny dikany. DH: "rehefa mandringana azy sy manala ny ainy Andriamanitra" na "rehefa mamono azy Andriamanitra" # mandringana azy Io dia sarin-teny izay midika hoe "mamono azy" na "mahafaty azy" # esorin'Andriamanitra ny ainy Io dia sarin-teny izany midika ho "mamono azy" na "mahafaty azy" # Moa ho ren'Andriamanitra ny fitarainany rehefa tonga aminy ny fahoriana? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hilazany fa tsy hanampy ireo izany olona izany Andriamanitra. DH: "Tsy hihaino azy ireo Andriamanitra rehefa tonga ao amin'izy ireo ny fahoriana." na "rehefa tonga ao amin'izy ireo ny fahoriana ka hiantso vonjy izy ireo, dia tsyhihaino azy ireo Andriamanitra." # Moa ho henon'Andriamanitra Eto, "mihano ny fitarainany" dia mampiseho famaliana fitarainana sy fanampiana ny olona mpaniratsira. DH: "hamaly ny fitarainainany ve Andriamanitra" # Moa hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hilazany fa ny olona mpaniratsira dia tsy hanao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary tsy hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra." na "Tsy ho faly amin'izay ataon'ilay Tsitoha izy ary tsy dia hivavaka firy amin'Andriamanitra."