plt_tn/job/27/08.md

28 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fa inona no fanantenan'ny mpaniratsira rehefa ... rehefa esorin'Andriamanitra ny ainy?
Mampiasa io fanontaniana i Joba mba hilazany fa ny olona tahaka izay dia tsy manana fanatenana. DH: "Tsy misy fanatenana ho an'ny olona mpaniratsira rehefa ...manala ny fanahiny."
# rehefa haringan'Andriamanitra izy, rehefa esorin'Andriamanitra ny ainy
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny dikany. DH: "rehefa mandringana azy sy manala ny ainy Andriamanitra" na "rehefa mamono azy Andriamanitra"
# mandringana azy
Io dia sarin-teny izay midika hoe "mamono azy" na "mahafaty azy"
# esorin'Andriamanitra ny ainy
Io dia sarin-teny izany midika ho "mamono azy" na "mahafaty azy"
# Moa ho ren'Andriamanitra ny fitarainany rehefa tonga aminy ny fahoriana?
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hilazany fa tsy hanampy ireo izany olona izany Andriamanitra. DH: "Tsy hihaino azy ireo Andriamanitra rehefa tonga ao amin'izy ireo ny fahoriana." na "rehefa tonga ao amin'izy ireo ny fahoriana ka hiantso vonjy izy ireo, dia tsyhihaino azy ireo Andriamanitra."
# Moa ho henon'Andriamanitra
Eto, "mihano ny fitarainany" dia mampiseho famaliana fitarainana sy fanampiana ny olona mpaniratsira. DH: "hamaly ny fitarainainany ve Andriamanitra"
# Moa hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra?
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hilazany fa ny olona mpaniratsira dia tsy hanao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary tsy hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra." na "Tsy ho faly amin'izay ataon'ilay Tsitoha izy ary tsy dia hivavaka firy amin'Andriamanitra."