plt_tn/jhn/08/42.md

824 B

tia

Ity dia ilay karazana fitiavana izay avy amin'Andriamanitra ary mifantoka amin'izay mahatsara ny hafa (na ireo fahavalontsika aza), na dia tsy mahazo tombony aza ianao.

Nahoana no tsy azonareo ny teniko?

Jesosy dia mapiasa ity fanontaniana ity mba hitenenana mafy ireo mpitarika Jiosy nohon'ny tsy fihainoan'izy ireo Azy. DH: "Ho lazaiko aminareo ny antony tsy ahazoanareo izay lazaiko!"

Izany dia satria tsy afaka hanaiky ny teniko ianareo

Eto ny "teniko" dia midika hoe "fampianaran'' i Jesosy. DH: "Izany dia satria tsy handray ny fampianarako ianareo."

Avy amin'ny rainareo ianareo, ilay devoly

"An'ny rainareo ianareo, Satana"

ary rain'ny lainga

Eto ny "ray" dia sari-teny maneho ilay iray izay niandohan'ny lainga rehetra. DH: "Izy ilay iray izay namorona ny lainga rehetra tamin'ny fiandohana"