# tia Ity dia ilay karazana fitiavana izay avy amin'Andriamanitra ary mifantoka amin'izay mahatsara ny hafa (na ireo fahavalontsika aza), na dia tsy mahazo tombony aza ianao. # Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Jesosy dia mapiasa ity fanontaniana ity mba hitenenana mafy ireo mpitarika Jiosy nohon'ny tsy fihainoan'izy ireo Azy. DH: "Ho lazaiko aminareo ny antony tsy ahazoanareo izay lazaiko!" # Izany dia satria tsy afaka hanaiky ny teniko ianareo Eto ny "teniko" dia midika hoe "fampianaran'' i Jesosy. DH: "Izany dia satria tsy handray ny fampianarako ianareo." # Avy amin'ny rainareo ianareo, ilay devoly "An'ny rainareo ianareo, Satana" # ary rain'ny lainga Eto ny "ray" dia sari-teny maneho ilay iray izay niandohan'ny lainga rehetra. DH: "Izy ilay iray izay namorona ny lainga rehetra tamin'ny fiandohana"