plt_tn/jer/16/19.md

40 lines
1.5 KiB
Markdown

# Yaveh o, Ianao no fiarovako mafy
Eto i Jeremia dia manomboka miresaka amin'i Yaveh.
# fiarovako mafy sy fialofako, toerana azoko antoka
Jeremia dia miresaka an'i Yaveh toy ny toerana izay tsy ahafahan'ireo fahavalo manafika azy. Namerina izany intelo izy.
# any amin'ny faran'ny tany
DH: "na aiza na aiza eto ambonin'ny tany"
# nandova fitaka tokoa ny razambenay
Eto ny teny "fitaka" dia manondro ireo andriamanitra sandoka.
# Foana izy ireo; ary tsy ahitana tombontsoa ao amin'izy ireo.
Eto ny teny "izy ireo" dia manondro ireo andriamani-kafa izay nampianarin'ny razamben'izy ireo taloha ho hinoana.
# Manao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo ve
Nametraka io fanontaniana io i Jeremia mba hanamafisana fa ny olona dia tsy tokony hanao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo. DH: "Tsy afaka manao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo"
# Noho izany indro!
Eto Yaveh dia manomboka miteny. Ny teny "indro" eto dia manamafy ny fehezanteny izay manaraka azy. DH: "Noho izany tokoa,"
# Ho ampahafantariko azy ireo
Eto ny teny "azy ireo" dia manondro ireo olona avy amin'ireo firenena. Namerina io teny io Yaveh mba ho fanamafisana.
# ny tanako sy ny heriko
Eto ny teny "tanana" dia manondro ny hery sy fahefana. Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ny haben'ny herin'i Yaveh. DH: "ny heriko lehibe."
# ho fantatr'izy ireo fa Yaveh no anarako
Eto ny "anarana" dia manondro an'i Yaveh tenany. DH : "ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, ilay tena Andriamanitra"